Taorian’ny fahatrarana ny iray tamin’ireo jiolahy niisa efatra, izay voasambotry ny fokonolona noho ny fahafatesan’ny moto scooter nentiny, nitifitra ilay teratany metisy sinoa tao Ambolomadinika ny alarobia maraina be teo dia niitatra ho azy ny fisamborana ireo namany noho ny fanoroana nataon’ingahy Mena nandritra ny fakana am-bavany azy teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava
. Ankehitriny dia sarona avokoa izy efa-dahy nahavanon-doza. Fantatra, araka ny angom-baovao natao, fa mpiasan’ilay sonia ihany ny roa tamin’ireo jiolahy, ny roa hafa kosa dia mpiara-monina. Taiza no nahitan’izy ireo basy nampiasaina nanaovana ny fanafihana ? Raha ny angom-baovao ihany dia betsaka tamin’ireo “dahalo” tany atsimo no misy nitsoaka ao Toamasina izao, noho ireo “operation” natao tany an-toerana. Izy ireo no efa manana basy sy mitady mpiara-miasa vaovao ary mampanofa ny basiny. Manamarina izany ny tsy mbola hananan’ny polisy malagasy sy polisy ao Toamasina ny mombamomba azy ireo araka ny fanangonam-baovao sy tahirin-kevitra mandritra ny “operation” fanaony, ary amin’ireo jiolahy efa voasambotra hatramin’izay. Ankoatra izay dia efa ananan’ny polisy vaovao koa ireo jiolahy 4 nahafaty mpirahalahy tao Androranga, efa misy ny fanaraha-maso azy ireo ka ho hita eo ny fotoana hisamborana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.