Tokony hoterena ny fanjakana
Efa ho lava ity resaka fampiakarana saran-dalana ity, hoy ny ankamaroan’ny olona eto Antananarivo Renivohitra.
Tokony ho ny fanjakana no omen’ny mpitatitra fe-potoana hanomezana ny fanampiana ho azy ireo ary zon’ny mpitatitra ny mitaky ny hampisondrotana izany amin’ny fanjakana raha mahatsapa ho matiantoka izy ireo fa tsy ny vahoaka no poretina lava izao. Tafiditra ao anatin’ny asa natao ho an’ny vahoaka rahateo ny fitaterana ka izay zakan’ny vahoaka no hatao fa tsy ny Malagasy no terena hanaiky na dia hita izao aza fa efa tsy zakan’ny olona intsony. Iaraha-mahita ihany koa ny fomba nampisondrotana ny saran-dalana izay nambara ho vokatry ny fiakaran’ny solika saingy tsy misy kosa ny fidinana rehefa mba misy ny fihenan’io vidin-tsolika io. Tokony hapetraka ny lalàna sy fepetra mazava amin’ny fahafahana mampiakatra ny saran-dalana sy ny fampidinana izany rehefa mihena ny vidin-tsolika fa tsy atao kopisoroka fotsiny.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.