Actualités

Fitazonana basy tsy misy alalana Nahazo fahafahana vonjimaika ilay depiote


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Naharitra ora maro ny fiakarana fampanoavana mikasika ny raharaha fitazonana basy tsy nahazoana alalan’ny depioten’Isandra teo aloha sy ireo roalahy mpiambina azy ary ilay mpivarotra basy, tao amin’ny Fitsarana Fianarantsoa omaly.

 

 

 Raha ny loharanom-baovao azo antoka avy any Fianarantsoa, nahazo fahafahana vonjimaika ireo telo. Araka ny fampitam-baovao hatrany, ilay nivarotra ny basy no nidoboka am-ponja vonjimaika. Ity farany izay tsy mazava ny lohan’ny fitaovam-piadiana nampiasany ka tsy nisy taratasy ara-dalàna. Raha tsiahivina, teo am-panatanterahana ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no sendra ny zandarimariam-pirenena io depiote io, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra ny fisavana fiara toy ny mahazatra no nahatsikaritra ireo roalahy mpiambina azy mitana basy. Nambaran’izy ireo fa an’ny ramatoa mpifaninana ho solombavambahoaka ny 27 mey ho avy izao ireo fitaovam-piadiana ampiasainy fa tsy azy roalahy kanefa tsy nanana taratasy fahazoan-dalana hitazona na hampiasa fitaovam-piadiana izy. Nentina avy  hatrany tany Fianarantsoa izy telo mianadahy ireo. Taorian’ny fakana am-bavany dia afaka nody tany aminy ilay kandida fa ireo mpiambina roalahy kosa notanana tao amin’ny zandary. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary ihany koa no nahalalana ilay mpivarotra basy taminy. Tsy mazava ny fanaovan’ity farany ny trafikana basy ka izao izy notanana am-ponja vonjimaika izao miandry ny fitsarana azy ireo.

Haja Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT