Anisan’ireo olana maro amin’ireo voafonja eto amintsika ny fitazomana am-ponja vonjimaika ary maro no tsy ara-dalàna.
Raha ny tatitra voaray dia miisa 47 ireo tranga fitanana vonjimaika tsy ara-dalàna hita eny amin’ireo fonja nanomboka ny 15 oktobra lasa teo. Ny volana oktobra lasa teo no nanatanteraka fidinana teny Antanimora ny Filoha Rajoelina hahafahana mijery ireny voafonja ireny. Vahaolana natolotry ny fitondrana moa ny fitsarana mitety vohitra mba hahenana ny tahan’ireo voafonja saingy na teo aza izany dia nahitana hatrany fitazomana am-ponja tsy ara-dalàna. Mbola hita soritra rahateo ihany ny tsy fanajana ny zon’olombelona eny amin’ireny fonja ireny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.