Ny 14 oktobra ho avy izao no fantatra fa hiakatra fitsarana indray ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy,
Rafanomezantsoa Jean Nirina, mikasika ilay raharaha fitazomana olona an-keriny na “sequestration” nampidirina am-ponja vonjy maika azy. Nihaona mivantana tamin’ny mpanao gazety omaly ireo mpikambana ao amin’ny HAFARI, notarihin’ny mpitondra teniny Randriamanalina Jean Marc. Nambaran’izy ireo nandritra izany fa manana porofo mazava amin’io fitoriana ny filohany io izy ireo. Mangataka ny hanaovana fitsarana am-pahibemaso araka izany izy ireo hotronin’ny mpitory an-daniny, ny toriana an-kilany hisehoan’ny tena marina, sary ireo vavolombelona manampy izany. Tsy adinon’izy ireo nandritra izany ny nisaotra ny fitsarana taorian’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana ny talata 4 oktobra lasa teo ka nanafahana noho ny fisalasana ny filohany tamin’ny resaka fisandohana andraikitra niampangana azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.