Nidina nanomboka ny alin’ny alatsinainy teo ny vidin-tsokila eny amin’ireo toby mpaninjara. Nihena 120 Ariary ny lasantsy ka lasa 3340 Ariary ny litatra.
270 Ariary ny fihenana ho an’ny gazoala, ka 2540 Ariary indray izao ny litatra. 210 Ariary kosa no fidinana ho an’ny solitany fandrehitra, ka lasa 1900 Ariary ny litatra amin’izao. Fihenam-bidy fanintelony io hatramin’ity fiandohan’ny taona 2016 ity. Raha atotaly dia 440 Ariary ny fihenana ho an’ny solitany fandrehitra tao anatin’izay. Nahatratra 630 Ariary io fidinana io ho an’ny gazoala. Raha ny fanazavan’ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo, Horace Gatien dia ny fidinan’ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny Ariary nihanahazo aina, miohatra amin’ny dolara amerikanina, izay vola ampiasaina eo amin’ny tsenan’ny fifanakalozana iraisam-pirenena no niteraka io fihenam-bidy io. Nanampy fanazavana ny minisitra fa tsy ifampierana amin’iza na iza ny fampiharana ny vidin-tsolika vaovao fa mihatra avy hatrany.
Miandrandra ny ho fiantraikan’izao fihenam-bidin’ny solika izao eo amin’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro ny vahoaka. Ho an’ny mpanjifa dia lojika raha hidina hanaraka io vidin-tsolika io ny sarandalana, indrindra ny taksibe. Toa ho nofinofy anefa izany raha ny fanazavan’i Andriambinintsolomora Bernardin, filohan’ny (Union des Coopératives de Transport Urbain), ivondronan’ireo kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe. Nanazava ity tompon’andraikitra ity fa eo ampandinihana ny mety hampakarana ny sarandalana izy ireo, manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny kojakoja fanolo, ny karaman’ny mpiasa ary ireo saram-pandaniana samihafa toy ny haba, hetra, fiantohana, saram-piantsonana izay tsy mitsaha-miakatra. Vao, omaly noho omaly, aza moa ny solika nidina ny vidiny, ny sarandalana amin’ny taksibe mampitohy an’Ambodivona amin’Ambohimanga Rova niakatra ho 1000 Ariary. Mahagaga !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.