Actualités

Fitaterana Fampiesonana ilay « Bus » manara-penitra


  • Talata 22 Desambra 2015

Natao nipoapoaka ny serasera mahakasika ny fiaraha-miasan’ny mpitatitra sy ny fanjakana, telo taona lasa izay, volana desambra nialoha ny fetin’ny Noely toy izao, fa dia ho avy ny “Bus”

 

 manara-penitra hanatsarana ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra. Nifandimby niresaka tamin’ny haino aman-jery, nanomana ny sain’ny mponina, ny avy ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita tamin’izany sy ny vondron’ny mpitatitra teto an-drenivohitra. Efa naseho ho fanta-bahoaka mihitsy aza ny maodelin’ny fiara ho avy. Avy eo nisy fandefasana delegasiona mpandraharaha tany Chine hijery ny orinasa mpanamboatra ny fiara sy hanome ny pitsopitsony araka izay filan’ny mpitatitra. Niandry ihany ny mpanjifa saingy tsy nety nipoitra ilay “bus” na dia efa ho telo taona aty aoriana aza. Fa angaha dia tsy misy fitohizan-draharaha fa dia tapaka tarangana teo ? Ny filoham-pirenena am-perinasa anefa mba minisitry ny fitantanam-bola tamin’izany ihany !

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT