Actualités

Fitaterana ankatoky ny fety Tsy hisy ny fampiakarana saran-dalana


  • Alatsinainy 21 Desambra 2015

Ny ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona tahaka izao no fotoana mahabetsaka indrindra ireo olona mivezivezy any amin’ny faritra, antony mahatonga ireo mpitatitra hampiakatra ny saran-dalana araka izay tiany.

 Nambaran-dRakotondrafara Fredinard, filohan’ny  komity mpitantana ny toby fiantsonana etsy amin’ny fasan’ny karana na ny KMSF ary fa tsy hisy mihitsy ny fampiakarana ny saran-dalana fa ny fanaovana ilay saran-dalana tokana no tsy maintsy hisy noho ny hamaroan’ny tinady.  Saika voakasik’izany avokoa ireo mpitatitra etsy amin’ny fasan’ny karana na ny zotra nasionaly na ny  zotra rezionaly. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa tsy misy atahorana ny mety ho tsy fahampian’ny fiara hitatitra ny mpandeha satria efa voalamina avokoa izany rehetra izany. Ny resaka  asan-dahalo eny an-dalana indray dia notsindriany mazava fa  efa misy ny fiaraha-miasan’ny minisitera mpiahy sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ary ny mpitatitra mampiasa iny lalam-pirenena fahafito iny amin’ny fanatonana ireo fokonolona  rehetra monina amin’ny lalana lalovana  izay hipoiran’ireo olona mpanafika sy mpanakan-dalana hatramin’izay. Mikasika ny lozam-pifamoivoizana manokana moa dia nambarany fa mbola mandeha hatrany ny fitiliana ny fiara, ny isan’ny olona entiny, ny haavon’ny entana ary ny fisorohana ny fanaovana dona miverina mialoha ny hiaingan’ny fiara taksibrosy iray.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT