Manoloana ny zava-misy eo amin’ny kaompania Air Madagascar dia efa samy mitady lalana hijery asa vaovao any amin’ny orinasa hafa ny ankamaroan’ny mpiasa ao.
Teo no nahafantarana fa mbola hisy orinasa vaovao hafa indray hitsangana ary tena matanjaka iarahan’ny mpandraharaha malagasy amina kaompaniam-pitaterana ana habakabaka iray efa fantatry ny maro aty amin’ny ranomasimbe indiana. Re fa ny mpitantana io orinasa vaovao io no efa mitafa tsikelikely amin’ny mpiasan’ny Air Madagascar izay te hifindra. Kajy efa vita hatry ny ela ihany izao zava-misy rehetra izao, hoy ny teknisianina iray izay efa niasa naharitra tao amin’ny Air Mad fa fandrirarirana no betsaka. Ankehitriny, araka ny nambaran’ity teknisianina ity dia ny ady ho lasa kaompania nasionaly indray no mafotaka eo amin’ny samy mpitrandraka ny lanitra Malagasy, indrindra taorian’ny nandrenesana fa mbola hisy kaompania vaovao hafa ho avy indray. Ho an’ny efa am-perinasa, na mbola volana vitsivitsy aza izay no nanombohany niasa dia re izao fa efa misy hividy fiaramanidina vaovao Boeing mihitsy atsy ho atsy hanatevenana ny efa misy. Izany dia porofo mitohoka amin’ny tendany fa tena mahomby ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasikara fa ny Air Madagascar no ratsy tantana sy diso paikady ka izay no nahapotika azy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.