Mbola lavitry ny fanarahan-dalŕna ny ankamaroan’ireo taksibe eto an-drenivohitra. Zotram-pitaterana telo no azo iafiana, hoy ny ONG Lalana dia ny zotra 172 mampitohy an’ny Cnaps sy Iavoloha, ny zotra 147 ary 186.
Na izany aza, tsy afa-po tanteraka izy ireo na dia ny fomba fanajany ny mpandeha sy ny tobim-piantsonana ihany aza. Antony nanaovan’ity ONG ity fanadihadiana mikasika ny zotram-pitaterana ny fahafantarana fa mitombo hatrany ny fitarainan’ny mponina mikasika azy ireny nefa toa tsy misy ny fepetra raisin’ny tompon’andraikitra. Folo andro no nanaovan’izy ireo ny fanadihadiana entina hampahafantarana ny tompon’andraikitra ny zava-misy. Anisan’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo taksibe eto amintsika ny fandehanana mafy loatra, ho an’ireo mampiasa ny lalana tsara, ny fanariana mpandeha an-dalana, ny fitenintenenam-poanan’ny mpamily sy ny mpanampy azy, ny tsy famerenana famerim-bolan’olona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.