Actualités

Fitarainan’ny mpampianatra Narafitra anaty boky iray


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Mihamitontongana hatrany ny hasin’ny mpanabe amin’izao fotoana izao. Tsy mijanona eto amintsika ihany izany fa maneran-tany mihitsy raha araka ny fantatra.

Tsy misy firenena mandroso anefa rehefa  ny mpanabe no voatohintohina  raha araka ny hafatry ny  tompon’andraikitra eo anivon’ny Unesco.  Ho an’ny CONAMEPT na ny “Coalition Nationale Malagasy Pour l’Education Pour Tous”  izay miara-miasa akaiky amin’ny filan-kevim-pirenena momba ny fanabeazana sy ny vovonan’ny sendikan’ny mpampianatra eto Madagasikara dia vahaolana  hahafahana mamaha ny olana sedrain’ny mpampianatra ny famondronana izany anaty fitarainana miisa 20 mba hananan’ny fanjakana fotoana lavalava handinihina azy. Tsy ny fidinana an-dalambe mantsy ho azy ireo no vahaolana fa ny fijerena ireo tena mahamaika ny mpampianatra izay tokony hihafara amin’ny fihaonana an-databatra boribory raha toa ka ilaina izany. Anisan’ireny ny hakelezan’ny karaman’ny mpampianatra, ny fanovàna ny rafi-pampianarana mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny vanim-potoana iainana ankehitriny, ny fampitomboana ireo mpampianatra raisina ho mpiasam-panjakana. Mifandraika  indrindra amin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mpanabe izay ho marihina anio alarobia 05 oktobra moa ny famondronana  ireto fitarainana miisa 20 ireto.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT