Actualités

Fitarafana taova Ny vehivavy no marisika manatona dokotera


  • Alatsinainy 12 Desambra 2016

Anisan’ny fomba iray hahafahana mamantatra ny toe-pahasalaman’ny olona iray ny fitarafana ny taova any anaty, amin’ny alalan’ny « échographie » ohatra.

Voakasik’izany manokana ny vehivavy bevohoka hahafahana manara-maso ny fitombon’ny zaza ao am-bohoka, ny fipetrany ary ny toe-pahasalamany. Anisan’ny betsaka manao fitarafana ihany koa raha ny fanazavan’ny dokotera Bariniaina Fidy etsy Ambatomainty ny olona marary kibo sy ireo manana olana amin’ny resaka fadim-bolana izay mety mandeha be na koa tsy misy mihitsy. Tsy mifidy salan-taona izany hoy ity dokotera ity. Fantatra eo noho eo ny valin’ny fitarafana miampy ny torohevitra omena ny marary. Amin’ny ankapobeny anefa dia misy ihany ireo olona mitaraina ny amin’ny tsy fahamarinan’ireny fitarafana ireny. Mety miankina amin’ny kalitaon’ny fitaovana ampiasaina izany hoy dokotera Fidy. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa afaka manao fitarafana avokoa rehefa mety dokotera nahazo diplaoma avy amin’ny fanjakana ankoatra ireo nianatra izany manokana toa azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT