Tahaka ireo tany rehetra mikambana ao anatin’ny firenena mikambana dia nanatanteraka atrikasa hisorohana ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika i Madagasikara (résolution 1540).
Anisan’izany ny hisakanana ireo fitaovam-piadiana ara-nokleary, biolojika ary simika. Efa betsaka ny fikambanana mpiady miparitaka manerana izao tontolo izao ary efa mitana sy mampiasa ireny ny ankamaroan’izy ireo ka mamono olona tanteraka tahaka ny tranga any Yemen, Syrie. Tsiahivina fa misy ny lalàna eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenena ny amin’ny tsy tokony hitazomana ireny fitaovam-piadiana mahery vaika ireny. Tsy misy eto Madagasikara ireny saingy tsara ny miomana satria handray vahiny hatrany ny firenena atsy ho atsy, hoy ny teo anivon’ny tafika. Nisy mihitsy ireo teknisianina matihanina sy manana traikefa manokana nizara ny fahaiza-manaony tamin’ny mpitandro ny filaminana Malagasy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.