Ankoatra ny fihainoana sy fanadihadiana ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fakana an-keriny tany Toamasina dia andrasan’ny rehetra ihany koa ny fanadihadiana lalina sy matotra momba ireo fitaovam-piadiana nampiasain’ireo jiolahy.
Re hatrany mantsy hatramin’izay fa hoe basy sy bala an’ny mpitandro ny filaminana na nivoaka avy amina toby miaramila no ampiasain’ny jiolahy eto amintsika, saingy mijanona amin’izay fanambarana izay ny resaka fa toa tsy misy tohiny intsony rehefa maty voatifitra ireo jiolahy na misy ampahany migadra. Mivoaka anefa ny resaka, ohatra, tamin’ilay fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud tany Toamasina fa basy sy bala nivoaka avy amina lapam-panjakana no tratra tao Andranomadio tao amin’ilay trano nihazonana an’i Arnaud, misy ireo bala mitondra ny laharana 61/97 – 86/15 – 534/74 – 539/74 – 85/15 – 270/76 sy 71/78. Azo antoka fa raha miainga amin’ireo fotsiny ny fanadihadiana atao dia tsy maintsy ho fantatra ny toerana niavian’ny bala, tahaka izay koa ny basy. Raha misy miaramila, zandary na polisy manome na mivarotra na mampanofa basy dia tsy tokony ho sarotra ny manaporofo izany raha toa ka tena manao ny asany marina ny sampandraharaha manara-maso ny fivezivezen’ireo fitaovam-piadiana ireo, fa tsy atao fialana bala fotsiny ny hoe efa nokikisan’ireo jiolahy ny laharana tamin’ny basy. Tsy misy olon-tsotra afaka manafatra na mividy fitaovam-piadiana mahery vaika tahaka ny basy Kalachnikov eto Madagasikara afa tsy ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena ihany, ka ao izany no tena mila fanadihadiana lalina fa ao no misy gaboraraka, raha tiana hivoaka ny tena marina. Misy koa anefa ny fampidirana an-tsokosoko fitaovam-piadiana eto amintsika noho ny tsy fifehezantsika ny morontsiraka. Misy koa anefa ireo fitaovam-piadiana miditra eny amin’ny seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina. Fa na ahoana na ahoana resaka atao dia miankina amin’ny fanaraha-maso hentitra no hisorohana azy ireo sy ny famotehana ilay tambajotra mpanao azy.
RTTTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.