Actualités

Fitaovam-piadian’ny tafika miparitaka Mila fotoana ny fanadihadiana


  • Talata 16 Febroary 2016

« Miasa mangina ny tafi-bahoaka amin’ny fanadihadiana ireo olona tompon’andraikitra amin’ireo fitaovam-piadiana tratra tany an-pelatanan’ny jiolahy na dia tsy andrenesam-baovao firy aza ».

 

 Io no fanambarana nataon’ny kolonely Ratovonirina Philibert, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny etamazoro jeneralin’ny tafika malagasy. « Efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny talen’ny fitaovana ara-teknika sampana fitaovam-piadiana sy ny eny amin’ny sampana mpanara-maso manokana ny etamazoro jeneralin’ny tafi-bahoaka ka izay no tsy ahafahana manome vaovao intsony, indrindra fa amin’ny mpanao gazety mba ho fitandroana ny fahombiazan’ny fanadihadiana. Ny toky azo omena dia efa mandalo fanadihadiana avokoa ireo fitaovam-piadiana rehetra tratra teny an-tanan’ny olona tsy tokony hitazona izany ary tsy maintsy hisy fehin-kevitra mivoaka izany any am-parany », hoy hatrany ny kolonely Ratovonina Philibert. Matetika mantsy dia ahitana vaovao tsy ampoizina mandritra ireny fanadihadiana atao ireny ka izany no ilana fitandremana amin’ny vaovao avoaka raha toa ka tsy vita tanteraka ny fanadihadiana. Momba ireo fitaovam-piadiana tratra niaraka tamin’ny fanavotana an’i Arnaud ilay takalon’aina tany Toamasina dia miara- miasa akaiky amin’ny talen’ny fitaovana ara-teknika sampana fitaovam-piadian’ny tafika ny talen’ny sampam-pikarohan’ny zandarimariam-pirenena ka ny vokatry ny fanadihadiana rehetra no omena ny sampana mpikaroka ny heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena mba hanohizan’izy ireo ny fanadihadiana indray. Tena mbola lavitr’ezaka be ka izay no mahatonga ny tafika mangataka ny faharetana sy ny fitonian’ny valala tsy mandady harona mba ahafahana manao ny fikarohana am-pilaminana.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT