Laharana faha-33 amin’ireo firenena 54 eto Afrika ny fitantanana sy ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Nitotongana be moa ireo sehatra roa goavana ireo, hoy ny tondro Mo Ibrahim taona 2015 nivoaka ny 3 oktobra 2016 teo.
Mpiraki-draharaha
Hitokona tsy misy fetra manomboka anio ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana, araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Tsy hisy mihitsy ny fiandrasan-draharaha hotontosain’izy ireo.
MVola
Afaka misintom-bola amin’ireo toerana natokana izany eny anivon’ireo banky BFV-SG manerana an’i Madagasikara manomboka izao ireo mpanjifa MVola. Azon’izy ireo hatao ny maka lelavola hatrany amin’ny 4 hetsy ariary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.