Hihatsara kokoa ny fitantanana ny tsena eto an-drenivohitra manomboka izao. Nisy mantsy ny fanendrena lehiben’ny sampandraharaha vaovao miisa enina, manerana ny Boriborintany enina, entina hanampiana sy hanamorana ny asan’ny lehiben’ny tsena. Ankoatra izay dia nametrahana lehiben’ny tsena ihany koa isaky ny tsena goavana eto an-drenivohitra, mbola tsy manana izany.
Tanjona ny hahafahana mampita vaovao haingana momba ny mpivarotra ankoatra ny fanamorana ny fanisana azy ireo, raha araka ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy mitsaha-mitombo ireo mpivarotra eto an-drenivohitra. Ho an’Anosizato sy Anosibe fotsiny, ohatra, dia efa tafakatra 2.000 ireo tsy ara-dalàna, izay tsy maintsy handraisana fepetra manokana ato ho ato, hoy Ramarosanda Landry, lehiben’ny tsenan’Anosizato. Anisan’izany ny fanisahana azy mba tsy hanamorona ny arabe loatra nefa tsy hibahana ny lalana natokana ho an’ny moto sy ny bisikileta ihany koa. Tanjon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izy ireo ny hampiditra ireto farany ao anatin’ny mpivarotra ara-dalana ka hamondronana azy anaty toerana iray rehefa mahita izany ny kaominina. Afaka mampidi-bola hafa ho an’ny kaominina ihany mantsy izy ireo rehefa tena tafiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.