Tontosa soa aman-tsara omaly tetsy amin’ny foibeny etsy Faravohitra ny famerenana amin’ny toerany ny talen’ny ofisy malagasin’ny zon’ny mpamorona (OMDA), Haja Ranjarivo.
Taorian’ny lanonana fifamindram-pahefana teo amin’ny tale vaovao sady tranainy ity sy ireo nandimby azy tao anatin’ny 10 volana dia nametrapetraka ireo mpikambana ny amin’ny tokony handaminan’ireo mpiasa eo anivon’ity ofisy ity ny asan’izy ireo mba tsy hiverenan’ny olana tahaka izay nahatonga ny savorovoro teo aloha intsony. Nohamafisin’ireo mpikamban’ny OMDA tamin’ny alalan’ny fanambarana iombonana moa izany ka nangatahan’izy ireo fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana noho ny fatiantoka nolazain’izy ireo fa tsy hita noanoa vokatry ny tsy fifampihainoan’ny avy eo anivon’ny minisitera sy ireto mpanakanto ireto tamin’ny fotoan’androny. Nangataka ihany koa izy ireo ny hiverenan’ny fifampihainoana. Efa nampanantena ihany koa ny filoham-pirenena fa hanarina ny foiben’ny Omda aorian’izao frankofonia izao ka dia manantena ny fanarenana ny trano izahay, hoy izy ireo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.