Nandray ny fitantanana ny sekoly ambonin’ny Miaramila na ny Akademia miaramila indray manomboka izao ny kolonely Ramasy
Razafindratovo Heritiana nandimby ny Jeneraly Rakotonirina Léon Jean Richard, izay nitantana izany ny telo taona sy efa-bolana. Tontosa ny zoma 26 febroary 2016 teo ny famindram-pahefana teo amin’ny fitantanana ny sekoly ambonin’ny miaramila Antsirabe na ny Akademia Miaramila ka ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotozafy Dominique Jean Olivier no nitarika. Nambaran’ny tompon’andraikitra vaovao fa hanohy ireo fanovana nentin’ny kaomandin’ny sekoly teo aloha ny tenany ary hanarina ireo fotodrafitrasa misy ihany koa hanomana ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny sekoly ihany koa, izay manamarika ny nandraisan’ny Malagasy voalohany ny fibaikoana ny 1 oktobra 1966 ka homarihina ny fisokafan’ny fankalazana. Mitohy ihany koa ny fampianarana ny “License de la Defense”, izay ahazoan’ny mpianatra ny diplaoma Oniversitera ka amin’ity taona ity no hivoahan’ny andiany voalohany amin’izany.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.