Actualités

Fitantanana miangatra Tena sosotra ny polisim-pirenena…


  • Talata 07 Mey 2019

Sosotra no sady tezitra ny polisy fa tsy misy firaharahiana an-dry zareo mihitsy avy amin'ny fitondrana.

 

Ny zandary sy ny miaramila no dokafan'ny filoha matetika, mahazo fitaovana, raha marary namaratra entina amin'ny angidim-by,… Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena manampy ary tena miaro ny zandary sy ny miaramila amin'ny tranga rehetra sy ny fotoana rehetra. Ny minisitry ny polisy anefa toa tsy mba re feo mihitsy, saraka aman-teny. Izy izay mahalala tsara ny marary ny polisy anefa satria izy efa Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena mialohan'ny naha minisitra azy, saingy miaro ny toerany sy tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny mpitondra nametraka azy, hoy ny resaka mandeha. Tamin'ny fitondrana Ravalomanana no nisy fisondrotan-karama nafonja farany ho an'ny Polisy. Ireo “unité specialisée” toa ny UIR (Unité d’Intérvention Rapide) USI (Unité Spéciale d’Intérvention) mpanenjika jiolahy raindahiny dia tsy misy izany hoe: “indemnité de risque” na “indemnité de mission” tahaka ny an’ny  miaramila sy zandary izany. Mitovitovy amin'ny karamana “lieutenant” ao amin'ny foloalindahy ny karamana “controleur general” an’ny polisim-pirenena. Mitovitovy amin'ny karamana “sergent” ny karamana “officier de police”. Tsoahana amin'ny polisy ny fanaovana pasipaoro, tadiavina esorina aminy koa ny resaka fanamboarana ny “Visa Electronique” sy ny fanaraha-maso eny amin'ny sisin-tany (PAF), ka ny hafa  no omena vahana; mafy ho an’ny polisy ny nanatsoahana tamin’izy ireo noho ny antony tsy dia tena maharesy lahatra ny fanaovana ny fitsirihana sy fisavana fiara (PR) tao anatin’ny fotoana voafetra.Toa hita nasongadina sy nahazo vahana ny zandarimariam-pirenena tato ho ato, hoy ireo polisy tafaresaka tamin’ny mpanao gazety nilaza ny marary azy ireo;  tsara ho marihana anefa, hoy izy ireo fa ny firenena Frankofonina (miteny Frantsay)  ihany no misy zandary, fa ny polisy dia iraisam-pirenena. Tena lasa miraviravy tanana ny polisy satria mahatsiaro nahilika sy tsy raharahiana. Mahatsiaro ho natao anjorom-bala ny polisim-pirenena mitaha amin’ny miaramila sy ny zandary ka tokony ho jerena sy halamina io satria tsy azo atao ambanin-javatra ny asa sy adidy iantsorohan’izy ireo, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa. Asa na hihaino na hinia hikipy sy hanao mizana tsindrian’ila ny fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT