Actualités

Fitantanana goragora Very 20 miliara Ar isam-bolana ny JIRAMA


  • Talata 11 Novambra 2014

Tsy ny resaka fitaovana ihany no olana ao amin’ny orinasa JIRAMA, hoy ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana fa eo ihany koa ny lafiny ara-pitantanana. Anisan’ny olana goavana amin’izany, hoy izy ny fandaniana mihoapampana eo amin’ny lafiny solika,

hany ka miteraka fatiantoka goavana hatramin’ny 20 miliara ariary isam-bolana eo amin’ny orinasa. Raha ny tokony ho izy mantsy dia 1 600 m3 isam-bolana ny fandaniana raha ho an’Antananarivo manokana saingy rehefa tonga ny fanafarana ny solika dia mivadika ho 3 400 m3 izany, amin’izao fotoana izao ary lasa mihoatra ny 5 000 m3 ka mahatonga fatiantoka lalina eo amin’ny orinasa. Mety manana fanazavana teknika ny tompon’andraikitra, hoy izy saingy tokony hahay hifehy ny fandaniana ny mpitantana eo anivon’ity orinasa ity satria iaraha-manaiky fa tena misy ny goragora eo anivon’ny orinasa. Na izany aza dia nilaza Atoa Orlando Raobimanana fa vonona hatrany ny tahirim-bolam-panjakana hanao ny adidiny amin’ny famatsiana ny orinasa JIRAMA. Tsara homarihana fa efa nanomboka ny fanarenana ny Jirama tamin’ny alalan’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fitantanana ny fitondrana Ravalomanana, tena nahitam-bokany tsara izany satria dia nanana vola tahiry ana miliara ariary tao amin’ny kitapom-bolany ny Jirama tamin’ny 2009. Nahagaga anefa fa rehefa tonga ny fitondrana tetezamita dia narary indray ity orinasam-panjakana ity ary ankehitriny moa dia io mahatratra 20 miliara ariary isam-bolana io ny fatiantoka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT