Actualités

Fitantanana asam-panjakana Mandringa tanteraka


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Mety ho anisan'ny fototry ny olana tsy mampirindra ny asan'ny fanjakana ny tsy fisian`ny firaisankina satria tsy miray saina tsara ny ao anaty governemanta.

 

 

Farafahakeliny efa mivaky telo io governemanta Ntsay Christian io. Misy minisitra tena ekipan`ny filoha Rajoelina toa an`ireo  minisitry ny fanatanjahantena, ny mponina,  ny angovo, ny serasera sy ny kolontsaina, ohatra. Misy indray an'ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM), izay tarihin`ny minisitra Hajo Andrianainarivelo, izay misahana ny fanajariana ny tany. Manampy azy ny minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa,… Farany, misy ekipan'i Ntsay Christian. Tahaka ny hoe samy manana ny “patron”-ny ry zareo, dia izao no alehany. Misy fotoana mifanipaka mihitsy ny zavatra ambara, hany ka lasa ohatry ny hoe mbola fiaraha-mitantan'ny ankolafy telo  sa efatra tamin'ny tetezamita. Miankina kosa amin`ny finiavana politika ny fanatanterahana ny programa, indrindra ny fahavononana  satria izany no tsy ampy amin`ny fitondrana an`i Madagasikara. Raha afaka mametraka ekipa manana traikefa amin`ny sehatra rehetra ny filoha dia heverina ho vitany. Ny olana dia izay prezida tonga dia ohatry ny misy tompony kanefa raha filohan`ny Malagasy rehetra izy dia tokony halalaka ny fijereny ny olona hiasa hiaraka aminy. Ilaina ny fananana traikefa amin`ny fitantanana raharaham-panjakana. Miandrandra olona za-draharaha afaka manampy avy hatrany ny filoha. Miankina foana amin`ny finiavana politika ny zava-drehetra ary ny filoha no mahalala izay laharam-pahamehana kanefa tsy tokony hanadino ny filan`ny vahoaka. Na ny filoham-pirenena aza ve tsy efa mahatsapa hoe misy tsy alehany mihitsy ireto minisitra ireto ? Saingy tsy manala azy ireo izy satria hivadika fahavalo politika mialoha ny fotoana izay esorina eo dia mikatso ny asa.  

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT