Actualités

Fitantanana ara-bolan’ny Jirama Hampanao fanadihadiana lalina ny fanjakana


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Tapaka tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 7 aogositra fa tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny fitantanana ny orinasa JIRAMA manomboka izao ka tsy maintsy hisy ny « audit organisationnel et financier » na fitsirihana ara-pitantanana sy ara-bola,

 

 

 

 hisy ny kabinetra hanao izany miaraka amin’ny “cours des comptes” na ny Fitsarana ara-bola sy ny mpanara-maso ankapoben’ny fanjakana na ny “IGE”. Tsy maintsy hapetraka mazava ny tetiandro hanatanterahana ny fanarenana ny orinasa. Tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ireo sampandraharaham-panjakana hananan’ny JIRAMA trosa izay mitentina 30 miliara ariary nanomboka ny voalohan’ny volana janoary 2019 ka hatramin’ny volana jona 2019. Tsy maintsy vitaina ao anatin’ny 2 taona raha ela indrindra ny fanarenana ny orinasa sy ny trosany. Tsy maintsy hapetraka ny “comité de pilotage” izay ahitana ny solontena avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny avy ao amin’ny fiadidiana ny praiminisitra, ny minisitera mpiahy. Iantohan’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny JIRAMA ny fanarahana ireo tetika sy lamina rehetra apetraka. Tokony handray anjara mavitrika amin’ny fanarenana ny fitondram-panjakana ary ho hentitra na dia voalazan’ny “Cour des Comptes” aza fa nahatratra 400 miliara ariary ny “subventions” nomena ity orinasa ity, hoy ny fampitam-baovao. Tokony hisy amin’izay ny fametrahana “business plan” na ny drafitrasa vaovao sy ny fijerena ireo fifanarahana fanofana “groupes” mamokatra herinaratra manomboka izao. Hisy ny “contrat-programme” hiarahan’ny fitondram-panjakana sy ny JIRAMA mametraka ny amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana eo amin’ny fitantanana ny orinasa. Rehefa halalinina, dia niverin-dalana foana isika satria tamin’ny fitondrana Ravalomanana efa nisy ny tahaka izao tamin’ny alalan’ny orinasa matanjaka Lahmeyer International nahazo ny tsenan’asa hanadio sy hanarina ny Jirama, saingy nentina nanenjehana ny fanjakana, kanefa izao ilaina ihany ny fanadiovana. Raha nitohy ny ezaka nanomboka tamin’izany tsy ho toy izao velively ny Jirama.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT