Actualités

Fitantanan-dRajaonarimampianina Herintaona tsy nahitam-bokatra


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Nantenain-kanirina vao mainka nampivandravandra ! Voafehin’io fomba fiteny tena Malagasy io ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka Malagasy miandrandra fanovana tsikelikely amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina taorian’ny ngidy mafaitra niainany nandritra ny 5 taona nambolena krizy teto amin’ny firenena

Tsaroan’ny besinimaro anefa ilay kabary miezinezin’ny filohan’ny Repoblika ny 25 janoary 2014 nampisinda ny ahiahy nanjaka teo anivon’ny fiarahamonina malagasy nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Herintaona latsaka kely izay no lasa saingy tsy mbola hita manangasanga izay vokatra azo tsapain-tanana. Tsikaritra ho mikaviavia rahateo ny mpitondra fanjakana manoloana ireo olana ilaina vahana eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga raha mivadi-dela isaky ny maneho hevitra imasom-bahoaka ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny. Santionany goavana indrindra amin’izany ny hevitry ny ekipan’ny filoham-pirenena momba ny fampihavanam-pirenena izay mihisatra tanteraka, ny fanatontosana ireo karazam-pifidianana kaominaly, faritra sy faritany sakana amin’ny fananganana ny Fitsarana Avo. Manginy fotsiny ny fahasahiranana ara-tsosialy sy toekarena mianjady amin’ny vahoaka malagasy. Midika ho fatiantoka ve izany ireo fivoahana misesisesy mankany ivelany izay mbola mitohy nataon’ny delegasionina malagasy tao anatin’ny 12 volana latsaka ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT