Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana tao amin’ny Lapan’Anosikely ireo mpitsara avy amin’ny «Cour des Comptes» ny omaly alarobia 9 martsa maraina.
Tonga nanatitra ireo boky mirakitra ny vokatry ny fitantanam-bolam-panjakana teo anelanelan’ny taona 2001 ka hatramin’ny 2014 ireo mpitsara misahana izany notarihan-dRtoa Rabakovololona Bodo, nisolotena ny Filohan’ny «Cour des Comptes» sy Rtoa Sahondranilala Razafimanantsoa lehiben’ny Fampanoavana nisolotena ny «Commissaire Général du trésor Public».
Nambaran-dRtoa Rabakovololona Bodo fa ny taona 1970 no nivoaka farany mahakasika ny «Rapport public annuel» tao amin’ny «Chambre des Comptes» ary niato ny famoahana izany teo anelanelan’ny taona 1971 ka hatramin’ny taona 2000. Antony, ny tsy fisian’ny fanaraha-maso teo amin’ny asa mahakasika izany «Cour des Comptes» izany noho ny fahasahiranana teo amin’ny fanadihadihana mikasika ny fampiasam-bolam-panjakana.
Nambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny maha zava-dehibe ny fanomezana izany boky mirakitra ny fitantanam-bolam-panjakana eo anivon’ny «Cour des Comptes » izany izay mariky ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.