Nanao tomban’ezaka nandritry ny fitandroana ny filaminana tamin’ny fandalovan’ny Papa Fransoa teto Madagasikara tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava omaly ny avy eo anivon’ny tafika Malagasy tamin’ny alalan’ny Emmonat ary notronin’ny avy eo
anivon’ny fandrindrana izany dia masina eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Nahomby ! Izay no teny nafonja nentin’izy ireo namaritra ny lafiny fandriampahalemana. Nilamina ny fahatongavan’ireo mpizaika isaky ny Diosezy na nisy aza ny indro kely toy ny lozam-pifamoivoizana naharatrana olona 3 tao Ambanja. Afaka namonjy ny fotoan-dehibe teto Antananarivo ihany moa ireo olona ireo. Mikasika ny resaka fitoriana momba ireo varotra sakafo teny an-toerana moa dia nilaza ny avy eo anivon’ny fandrindrana eo anivon’ny repoblika fa ny mpitory mihitsy no efa nilaza fa tsy misy idiran’ny fiadidiana ny repoblika ny zava-nitranga kanefa na izany aza dia hisy ihany ny fanadihadiana hotanterahan’izy ireo hamantarana ny tena zava-nisy marina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.