Actualités

Fitandroana ny filaminana Hanohana ny tanŕnan’Antananarivo ny tanŕnan'i Nice


  • Alarobia 24 Aogositra 2016

Tanŕna sangany amin'ny fahadiovana sy filaminan'ny tanŕna amin'ny maha tanŕn-dehibe azy i Nice.

Vonona hanohana eo amin'ny fitandroana ny filaminana amin'ny alalan'ny fametrahana ireny "Cameras de surveillance" ireny ny tanànan'i Nice. Manana traikefa momba izany izy ireo. Manaporofo izany ny nahafahana nampiato tao anatin'ny fotoana fohy ny kamiao lehibe nampiasain'ny mpampihorohoro ka namoizana ain'olona 86 ny 14 jolay teo, noho ny fisian'ireo "cameras" miisa 1.600 miparitaka eran'ny tanàna, manao ny asa fitiliana. Nivoitra io nandritra ny fandraisan’ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ny delegasiona avy amin'ny Fikambanana Nice-Madagascar, notarihin'ny Filohany Robert Verdoïa sy ny Sekretera Jeneraly Rabarijaona Jocelyn. Voaresaka nandritra ny fihaonana fa hohamafisina amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa ny maha mpirahavavy ny tanànan'i Nice (Frantsa) sy ny tanànan'Antananarivo, izay feno 54 taona.

 

Havanana amin'ny fanodinana fako ho angovo fandrehitra any an-tokantrano sy any amin'ny tobim-pahasalamana koa ny any Nice, ary vonona hampihatra izany eto Antananarivo.

Nanambara ny filohan'ny Fikambanana Nice-Madagascar fa afaka handray mpiofana avy amin'ny sehatra maro samihafa avy eto Antananarivo ny any Nice, raha ilaina. Nanamarika izao fandalovana teto Antananarivo izao ny nanoloran'ity delegasiona ity ny "Médaille d'Honneur" ho an'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo, avy amin'ny Ben'ny tanànan'i Nice. Fanirian'ny Ben'ny tanàna roa tonta ny hankalazana amin'ny fomba miavaka ny tsingerintaona faha-55 naha-mpirahavavy an'i Nice sy Antananarivo, amin'ny taona ho avy io.

Nampahafantarina nandritra ity fihaonana ity fa mbola nisy 7 ireo teratany Malagasy naratra mafy tany Nice, vokatry ny herisetra ny 14 jolay 2016, ankoatra ny iray namoy ny ainy.

 

Nangonin’i Jean D.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT