Tsy misy toerana izay tsy ahitana mpitandro ny filaminana eto an-drenivohitra mihazo an’i Ivato amin’izao fotoana ampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-19-n’ ny COMESA izao
. Diso maro loatra indray aza izy ireny, hany ka raiki-tahotra ny mponina. Ho an’ny fikambanana Vondron’Olon-Tsotra (VOT) dia tsy tokony ho amin’izao fotoana hisian’ny COMESA izao ihany no hiasan’ny mpitandro ny filaminana mafy. Ny hetra aloan’ny vahoaka ihany mantsy no handoavana ny karaman’izy ireny raha araka ny fanazavan-dRavaosolo Sarah, filohan’ny VOT ka mendrika ny hiambenany ny vahoaka Malagasy tahaka izao zava-misy iainana eto an-drenivohitra izao. Iaraha-mahalala rahateo, hoy izy fa tsy mandry fahalemana ny tanàna ka tokony hipetraka amin’ny maha mpitandro ny filaminana manakaiky ny vahoaka izy ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.