Actualités

Fitandroana fihetseham-po mijery Barea « Ilaina ny sakafo maivana, fadiana ny rongony ! »


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Zava-misy maneran-tany ny hoe mihetsipo rehefa ny ekipam-pirenen’ny tena no mandray anjara amina fifaninanana goavana toy ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra, hoy ny dokotera Domoina Soakanto Rakotonoely.

 

 

Anton’ny fahazoana aretina tampoka noho io voalohany ny fifaliana be loatra. Rehefa faly na malahelo loatra ny olona iray dia misy olana ny fitempon’ny fo. Ny olona manana olana eo amin’ny fo na manana karazan’aretim-po be dia be na manana olana eo amin’ny tosidra dia matetika tratra. Miakatra tampoka ny tosidra ary misy fiantraikany amin’ny atidoha ka mahatonga AVC. Misy ny AVC  “hémoragique” izay mamaky tampoka ny lalandra na koa “histemique” izay mamono tampoka na mamela takaitra. Ny tokony hataon’ny mpijery baolina, ho an’ireo mihinana fanafody dia tsy tsara tapatapahana izy io. Tsy tsara ny mandray zava-pisotro mahamamo ary tsy miaraka amin’ny fanafody ireny. Tandremana ny zavatra tenenina sy fihetsika atao. Raha tsy mahazo na tsy mahazaka miari-tory dia aleo miandry ny fitantaran’ny olona. Lanjao ny sakafo fa mety miteraka aretin-kibo sy an-doha. Tandremo ny sakafo amoron-dalana. Ny tena zavatra tsikaritra koa dia be dia be ny mpitia baolina miandahy miambavy tia manandrana rongony rehefa toy izao, hoy izy, ary lasa mahery setra. Avy eo manao ny tsy fanao. Io no tena iangaviako mba hajanon’izay zatra mpanao azy. Ny tena tsara dia aleo sakafo maivana tsy mialon’andro sy ranomboakazo vita avy amin’ny rano avy nampangotrahana no hanaovana fety rehefa toy izao. Rehefa avy mitsinjaka avy any ivelany iny dia aleo misotro izay rano avy nampangotrahana izay satria mbola handresy 2 sy 1 isika amin’io alakamisy io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT