Actualités

Fitakiana ny « îles éparses » Manohana an’i Madagasikara i Rosia


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Mazava ny tenin’ny masoivoho rosianina omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo fa an’i Madagasikara ny îles éparses ka tokony homena azy

 

 raha mbola  mendrika ny hohajaina ihany koa ny firenena mikambana. Nahitsy toraka atoa Stanislav Anvarovich Ahkmedov, masoivohon’i Rosia eto Madagasikara momba ireo nosy madinika idongian’ny fanjakana frantsay. Omaly, teo amin’ny lapan’i Mahazoarivo dia nanambara ity masoivoho ity fa efa nofaritan’ny fehin-kevitry ny firenena mikambana  ny maha an’i Madagasikara an’ireo nosy madinika ( îles éparses). Tsotra ny  hevitr’i Rosia amin’ny maha mpikambana feno azy  eo anivon’ny filankevi-pilaminan’ny firenena mikambana dia tokony hohajaina izay voalaza, omena an’i Madagasikara  ireo taniny  ireo. « Amiko dia izay no andraikitry ny  firenena mikambana  dia ny manara-maso ny firindran’ny  fifandraisan’ny zanak’olombelona eo anivon’ny firenena samihafa mba hisian’ny filaminana sy ny fitoniana. », hoy Atoa Stanislav Anvarovich AHKMEDOV. « Momba ny  fanohanan’i Rosia indray dia mazava izao maha eto anilan’ny praiminisitra ahy eto izao. Vonona ny hanohana an’i Madagasikara izahay ary isika dia efa mpinamana rahateo hatrizay, hoy izy namarana ny teniny. Tsy nihambahamba sady tsy niolikolika mihitsy ity diplomaty Rosianina ity naneho ny heviny. Raha an’i Rosia angamba ireo nosy ireo dia tsy azo nosaintsainina ny zavatra efa nitranga. Ny malagasy moa no tompon’ny « îles éparses » izay foto-dresaka.  Tsy fantatra na matin-kenamaso na matahotra na midororororo araka ny fitenin’ny tanora na  efa nanao fifanarahana  mangina hafa ny mpitondra fanjakana Malagasy. Ny fanambaran’Atoa Stanislav Anvarovich Ahkmedov aloha dia sady tokony hanaitra ny hambom-po ny mpitondra no tokony hohararaotina ihany koa.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT