Actualités

Fitakiana ny «îles éparses» Dia ho resy tsy miady ve ny Malagasy ?


  • Alakamisy 11 Desambra 2014

Miakatra ny feon’ny Malagasy tia tanindrazana mitaky ny tokony hamerenan’ny frantsay amin’ny Malagasy ny fitantanana ireo “Nosy Malagay Manodidina” na “Iles éparses

”. Nanao hetsika manokana teo anoloan’ny masoivoho frantsay eo Ambatomena tamin’ny herinandro lasa iny ny fikambanana VOT (Vondron’Olontsotra), nilanja sorabaventy mitaky ny hamerenana amin’i Madagasikara ny “Iles éparses”. Amin’ny sabotsy 13 desambra izao etsy amin’ny CMDLAC Analakely dia hisy konferansy arahina adihevitra momba ireo “Nosy Malagasy Manodidina” ireo. Toa resy tsy miady ihany anefa ny Malagasy manoloana ity raharaha ity. Mbola kandida i Hery Rajaonarimampianina dia efa nilaza fa fiaraha-mitantana amin’ny Frantsay no mety aminy. Rehefa voafidy ho filohan’ny Repoblika izy dia mbola nohamafisin’ny fampitam-baovao avy amin’ny prezidansa io fiaraha-mitantana io, taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha frantsay, François Hollande tao amin’ny lapan’i Elysée. Manampy trotraka izany ny zava-misy eto an-toerana. Manapa-kevitra ny fanjakana fa miato avokoa ny famindrana na fanoratana tanim-panjakana nefa etsy ankilany mitohy ihany, ary mitohy hatrany ny fandraofan’ny vahiny, ny Karana indrindra indrindra ny tany eto, ary toa jerem-potsiny !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT