Misedra olana ny FOFIJA na foibe fitaizana jamba ao Antsirabe ankehitriny.
Tapaka efa hatramin’ny volana oktobra 2015 ka ny famatsiam-bola nomen’ny Norveziana noho ny tsy fahaiza-mitantana raha ny fantatra. Voatery nanatsahatra ny zaza hihazo ny sekoly ireo fianakaviana jamba vokatr’izany. Raha 105 ireo ankizy notaizana sy nampianarina tao amin’ity foibe ity dia tsy nisy afa-tsy 80 tamin’ireo ihany sisa no tonga namonjy ny foibe vokatry ny tsy fahampiana eo anivon’ny tokantrano misy azy. Mila vonjy noho izany ny FOFIJA ka manao antso avo amin’ireo Malala-tanana mba hitondra izay voatsirambin’ny tanany hanohanana ny fitaizana ireo ankizy manan-kilema ireo.Voaroaka tanteraka ireto ankizy ireto ankehitriny fa ankoatra ny fahamaizinana efa iainana isan’andro dia mbola maizin-kitroka koa ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo. Manodidina ny 300 tapitrisa ariary isan-taona ny vola ilaina amin’ny fikarakarana ireo zaza 105 isa, tafiditra ao anatin’izany ny ilaina rehetra sy ny fitaovana hampianarana azy ireo. Mianatra manaraka ny programam-panjakana ara-dalàna mantsy izy ireo. Ny 9 amin’ireo 80 sisa tavela no voalaza fa hanala CEPE, ny 10 hanala BEPC ary ny 3 hanala bakalorea. Eo amin’ny faha-16 taonan’ny ankizy anefa dia fantatra fa atomboka ampianarina asa Tanana samihafa izy ireo. Nisy avy hatrany moa ny valin’ny antso nataon’ny fikambanana Fanahy Maha Olona, tarihan’i NyRado Rafalimanana ka nitondra ireo 80 mianadahy nitsangantsangana tany AmbilaLemaitso nanimbolo sy nikasika ranomasina nandritra ny 4 andro. Hisy koa fanomezana fiofanana ireo tompon’andraikitra amin’ny fitantanana mahomby homen’ny fikambanana Maha Olona ankehitriny.
NtsoavinaEvariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.