Nisy ny fanomezana tolotr’asa ho an’ireo tanora manana diplaoma bakalorea no ho miakatra nokarakaraina fikambanana As’sidus tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly.
Orinasa miisa 16 no nandray anjara tamin’ny fanomezana izany tolotr’asa izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ary karazana asa 250 no omena amin’ity andiany fahatelo amin’ny hetsika ity. Misy ny sehatry ny indostria, ny banky hatramin’ny resaka lakozia ary anisan’ireo tolotr’asa omena araka izany ny toerana maha tale jeneraly sy tompon’andraikitry ny varotra hatramin’ny mpanao lakozia. Naherin’ny 1500 isa ireo tonga namaly ny antso tamin’ny taon-dasa, raha ny fanazavana, ary manodidina izay isa izay koa ny tamin’ity. Ny tsy fahazarana teny vahiny, ny tsy fahasahiana hiatrika tomponandraikitra, hoy i Mamisoa Ranarivelo izay tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny fikambanana no tena hita ho tsy maharesy lahatra sy tsy ahazoan’ireo tanora asa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.