Hiroso amin’ny fanadiovana ny farihin'i Behoririka ny tanànan’Antananarivo hisorohana ny fiakaran'ny rano, mialoha ny fotoam-pahavaratra.
Noraisina ny fepetra, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin'ny Boriborintany Fahatelo, satria asa fanao isan-taona izany, sady efa tsy miasa intsony noho ny fahanterany sy fahasimbany ireo fantsona lehibe efatra mamarina ny rano ho ao amin'ity farihy ity. Tsy maintsy hirosoana ny fanalana ireo mpivarotra manodidina ny farihy hahafahan'ireo fitaovana vaventy hanatanteraka an-kalalahana ny asa fanadiovana sy ho fisorohana mialoha ny loza mety hihatra amin'izy ireo. Efa nampiomanina mialoha ireo mpivarotra mba handraisan'izy ireo fepetra alohan'ny fandravana ireo trano hazo manodidina ny farihy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.