Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco avy no lasibatra.
Talen-tsekoly tsy miankina ao Toliara no misandoka ho lefitry ny Talen’ny Bianco ao an-toerana. Ampiesoniny fotsiny izao ireo manan-draharaha any amin’ny Bianco, lazainy fa mpanao famotorana izy ary vitany, hono, ny mampangina ny dosie fitoriana na fitarainana iray, fa mila “karakaraina” izy.
Mailo anefa izy satria tsy mandray vola any an-toeran-kafa fa any an-tranony no andraisany ny vola, ary tsy mba kely fa an-tapitrisany. Betsaka no efa lasibatrany. Ela nitoratorahana anefa ilay Tale, ka tratra ihany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Bianco, zandary ary olon-tsotra.
Nahitana fitaovana samihafa toy ny tombokase sy taratasy fanaovany hosoka tao aminy rehefa nosavain’ny mpanao famotorana. Efa natolotra ny fitsarana ary dia tazonina am-ponja vonjimaika izy miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Fantatra fa dia mirongatra tato ho ato ny fisolokiana andraikitra mpitondra ambony. Vokatry ny fahantrana sa maivana ny sazy no antony ? Mila mailo ihany rehefa manan-draharaha atao, indrindra eny amin’ny biraom-panjakana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.