Amin’izao fotoana izao, dia manao izay fomba rehetra mihitsy ireo mpisoloky entina hangalana vola amin’ireo lasibatra.
Anisan`ny fihetsika nahazo vahana ny mikasika ny fivadiham-pitokisana sy ny fisolokiana. Mampiasa hafetsifetsena mba hahazoam-bola sy hivelomana satria izay no mora hahazoana vola be haingana. Resaka ara-barotra sy ara-pifanarahanaa ara-barotra no hitrangany. Mirongatra be ny mpanera sy mpanao bizina amin’izao fotoana izao ary hita amin`ny sehatra rehetra avokoa. Betsaka amin’izy ireo anefa no mpisoloky fotsiny izao ary mampitondra faisana ireo izay tafiditra amin’ny fandrika velariny. Tambajotra lehibe sy goavana mihitsy no heverina, fa ao ambadik’ireo resaka fisolokiana etsy sy eroa miseho lany amin’izao. Ary tsy vitan’ny olon-tsotra intsony no lasibatra amin’izao, fa na hatramin’ireo orinasa goavana aza, eny hatramin’ireo hôtely lehibe manana ny lanjany aza. Ary tena ampiasain’ireo olon-dratsy ny zava-drehetra. Ny lalàna dia manambara fa haiditra an-trano-maizina mandritra enim-bolana ka hatramin’ny roa taona sady hampandoavina onitra araka izay vola noslokiana sy miankina izay takian` ilay mpitory ireo olona tratra misoloky sy mivadiham-pitokisana. Mahantra ny Malagasy satria tsy araka ny fiheverana azy fa tsy olona tsotsotra fotsiny ihany ireo mpanao bizina ireo. Misy dia misy tokoa amin’izy ireo olona manana ny maha izy azy tanteraka eo amin’ny fiarahamonina raha ny fijery azy avy ety ivelany. Ao koa anefa ny mampiasa anarana olona tsara toerana taloha na ankehitriny na milaza ho havana olona ambony amin’ny « bizna » ataony izay matetika mifototra amina fisolokiana, famitahana na fivadiham-pitokisana. Tsy kely làlana tokoa ny ratsy amin’izao ka tokony hitandrina foana ny tsirairay.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.