Betsaka ireo olona mora fitahina amin’izao fa misy asa miandry any ivelany satria be karama. Ny alatsinainy 12 oktobra lasa teo dia nisy olona maro nametraka fitoriana tao amin’ny Polisy PJ (Police Judiciaire) teny amin’ny Faritany Ambohidahy mahakasika lehilahy iray mahavita mandefa olona hiasa any Maorisy.
Avy hatrany dia nidina ifotony ny polisy ka lehilahy iray monina etsy Ankadimbahoaka antsoina hoe : Tiana no tratra. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa olona akaiky azy avokoa ireo olona nisolokiany ka noteneniny fa misy olona iray miara-miasa aminy mahavita nandefa olona hiasa any Maorisy. Ny saram-piaramanidina sy ny Pasipaoro no karakarain’izy ireo fa ny taratasy hafa no amboarin’ireo olona hiasa any Maorisy. Nangalan’i Tiana vola 200.000 Ariary isanisany moa ireo olona akaiky azy miisa 25 ny eto an-drenivohitra fa mbola misy ihany koa ireo izay efa lasa any amin’ny faritra. Tra-tehaka tao an-tranony ireo antontan-taratasy marobe nikarakarany izany. Tamin’ny fanadihadiana an’i Tina dia nilaza izy fa tamin’ny volana septambra lasa teo no saika alefa tany Maorisy ireo nosolokiany fa tsy lasa ary nampanantenainy karama 1.000.000 Ariary avy isam-bolana. Omaly no natolotra ny fampanoavana ny lehilahy ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.