Actualités

Fisolokiana avo lenta Migadra 5 taona ilay mpiasan’ny DGGFPE


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Tsy nandefitra mihitsy ny tale jeneralin’ny DGGFPE na ny « Gestion Financičre du Personnel de l’Etat », Ihanta Sahondra eo amin’ny tsy fanarahan-dalŕna miseho eo amin’ny rafitra tantanany.

Notoriany, ny mpiasa iray antsoina hoe A.R. izay nisandoka ny anarany ka nahasoloky olona niisa 7 be izao. Nivoaka ny didy fanamelohana ka voaheloka higadra sazy mihatra 5 taona i A.R

Marihana fa tany amin’ny taona 2016 no nitranga ny fisolokiana nataon’ity mpiasan’ny DGGFPE iray ity izay nilaza fa afaka mampiditra mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy fitantanam-bola izy tamin’ny fampiasana ny anaran’ilay tale jeneraly. 200 000 000 tapitrisa ariary no totalin’ny vola voaangony nefa tsy nisy akory, volana maro taty aoriana, ilay fampidirana mpiasa fa nahita fialana bala hatrany ny lehilahy. Tsy niahiahy tamin’ny fisolokiana nitranga mihitsy ireo voasoloky raha tsy efa tsy hitan’izy ireo fa nanjavona tanteraka i A.R. ary tany Toamasina izy vao tratran’ny polisy tany an-toerana dia nampidirina vonjimaika teny Antanimora ary vita tamin’ity herinandro ity  ny fitsarana azy. Mbola misy fisolokiana hafa ihany koa ankehitriny mitranga eo anivon’ity DGGFPE  ity ka fikarakarana fitsapam-pahaizana na « test » an-tsoratra sy am-bava avy amin’ny antontan-taratasy hosoka indray no nampiasan’ireo mpisandoka andraikitra ho tompon’andraikitra ao amin’ity sampandraharaha ity. Efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra mahefa ny raharaha ka tsy handeferana tahaka ny nahazo an’i A.R. ihany koa.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT