Actualités

Fisolokiana avo lenta Migadra 5 taona ilay mpiasan’ny DGGFPE


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Tsy nandefitra mihitsy ny tale jeneralin’ny DGGFPE na ny « Gestion Financičre du Personnel de l’Etat », Ihanta Sahondra eo amin’ny tsy fanarahan-dalŕna miseho eo amin’ny rafitra tantanany.

Notoriany ny mpiasa iray antsoina hoe A.R izay nisandoka ny anarany ka nahasoloky olona niisa 7 be izao. Nivoaka ny didy fanamelohana ka voaheloka higadra sazy mihatra 5 taona ny tenany

Marihana fa tamin’ny taona 2016 no nitranga ny fisolokiana nataon’ity mpiasan’ny DGGFPE iray ity izay nilaza fa afaka mampiditra mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy fitantanam-bola izy tamin’ny fampiasana ny anaran’ilay tale jeneraly. 200 000 000 tapitrisa ariary no totalin’ny vola voaangony nefa tsy nisy akory ilay fampidirana mpiasa, volana maro taty aoriana fa nahita fialana bala hatrany ny lehilahy. Tsy niahiahy tamin’ny fisolokiana nitranga mihitsy ireo voasoloky raha tsy efa tsy hitan’izy ireo fa nanjavona i A.R. Tany Toamasina izy vao tratran’ny polisy tany an-toerana ka nampidirina vonjimaika teny Antanimora ary vita omaly ny fitsarana azy. Mbola misy fisolokiana hafa ihany koa ankehitriny mitranga eo anivon’ny DGGFPE  ka fikarakarana fitsapam-pahaizana na « test » an-tsoratra sy am-bava avy amin’ny antontan-taratasy hosoka indray no nampiasan’ireo mpisandoka andraikitra ho tompon’andraikitra ao amin’ity sampandraharaha ity. Efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra mahefa ny raharaha.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT