Actualités

Fisokafan’ny TIKO Eken’ny Governemanta


  • Alarobia 07 Oktobra 2015

Mihamazava izao ny hisokafan’ny orinasa TIKO. Nilaza omaly ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Rabesahala Henri, fa raha ny ara-teknika dia tsy misy olana ny fisokafan’ity orinasan’ny fianakaviana Ravalomanana ity

 

. Mizotra tsara ihany koa ny hiverenan’ny TIKO hampiasa ny tanin’ny Antenimieran’ny Varotra, araka ny fanazavany hatrany. Minisitra no miteny, mazava izany fa tenin’ny governemanta no entiny. Fandaminana politika raha izany sisa no tsy mbola isokafan’ny TIKO. Na izany aza nanome fanantenana ny maro ny tenin’i Marc Ravalomanana taorian’ny fihaonany tamin’ny minisi-panjakana sady filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao ny alakamisy lasa teo, nilaza fa “misy ny fanantenana amin’ny hisokafan’ny TIKO ary mitohy ny fifampidinihana mikasika izany”. Asa mivantana 4 500 no ho avotra aorian’ny fisokafan’ity orinasa nanandratra avo ny “Vita Malagasy” ity, ankoatra ireo asa ana hetsiny hiforona manaraka azy, miainga amin’ny tantsaha mamboly sy mpiompy mandalo amin’ny mpanangom-bokatra sy ny mpitatitra ankoatra ireo mpamatsy entana sy mpiara-miombon’antoka hafa. Rahoviana no hahatanterahan’izany ? “Minoa fotsiny ihany”, hoy i Marc Ravalomanana

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT