Efa miomana sahady amin’ny hisokafan’ny Orinasa Tiko ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra
. Fantatra io nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fifampiarahabana noho ny Asaramanitra natao tao an-tokotanin’ny lapan’ny faritra Vakinankaratra omaly talata. Ny lafiny herinaratra no nivoahan’ny resaka satria fantatra fa tsy maintsy mila hatrany amin’ny 34 Megawatt i Vakinankaratra hatramin’ny volana janoary 2017 raha toa ka mbola 19 Megawatt aloha hatreto ny filana eran’ny faritra. Efa an-dalana mantsy ny fisokafan’ireo Orinasa afaka haba maro eto Antsirabe izay efa manomboka mandray mpiasa hatrany amin’ny 7.500. Anisan’izany ny fitaran’ny Cotona sy ny Aquarelle ary ny Floreal izay vao hisokatra any an-toerana. Nambarany koa fa efa hisokatra ny Orinasa Tiko, izay mampiasa olona be dia be ka tsy ho ampy io herinaratra io. Tsy maintsy miomana, araka izany, ny Faritra Vakinankaratra. Nambarany koa fa tsy mety aminy ny fomba fiasan’ny Orinasa Hydelec, izay mamokatra herinaratra ao Vakinankaratra kanefa ny any Antananarivo no vatsiany. Nambarany fa efa misy ny dinika amin’ny fanovana io fomba fiasa io. Tsy tongatonga ho azy, araka izany, ny dian’ny filoha Ravalomanana any ampitan-dranomasina fa efa antomotra ny tsy maintsy hisokafan’ity orinasa tena Malagasy sangany eto Madagasikara ity.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.