Actualités

Fisokafan’ny MBS Matahotra mafy ny fanjakana


  • Alakamisy 13 Oktobra 2016

Milaza ny handray fepetra manoloana ny andrana teknika ataon’ny onjam-peo MBS nanomboka ny herinandro lasa teo ny Minisiteran’ny serasera.

 

 Ambara fa mbola tsy nahazo fankatoavana teo anivon’ny Filan-kevitry ny governemanta ny fangatahana nataon’i  Joel Ralaivoahita, tonian’ny famoahana ny taona 2015. Midika izany fa mikendry ny hampiato izany andrana izany indray ity minisitera ity. Efa ela ny MBS no tokony hisokatra saingy sakanana hatrany na dia mahafeno ny fepetra rehetra aza. Tsy any amin’ny resaka teknika no olana fa ny tontolo politika izay tsy tokony ho sakana amin’ny fisokafan’ny haino aman-jery mihitsy. Mibaribary be fa rehefa tsy manohana fitondrana ny haino aman-jery iray dia tratry ny kapa ranjo kanefa vao andro vitsy monja izay no notokanana ny onjam-peo iray vaovao izay nomena tombon-dahiny manokana noho izy mirona kokoa amin’ny fanohanana fitondrana. Mahakasika ny haino aman-jery MBS dia nanamafy I Joel Ralaivoahita ny 11 oktobra fa eo am-panomanana ny andrana ara-teknika ho an’ny fahitalavitra ihany koa izy ireo amin’izao fotoana izao. Mbola tantara mitohy ity raharaha ity.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT