Laharana faha-188 amin’ny firenena 189 i Madagasikara tamin’ny taon-dasa 2014 eo amin’ny fisitrahan’ny mponina herinaratra. Mitana ny rambony kosa isika tamin’ity taona 2015 ity, araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena izay tafiditra amin’ny fandrafetana ny tatitra “Doing Business 2015”
. Ny 8583,3%-n’ny vola miditra amin’ny isam-batan’olona no ilaina amin’ny fampidirana herinaratra amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Antony mahatonga izany ny olana goavana hita eo amin’ny sehatry ny fitokana-monina. 4348,5% kosa io tarehimarika io ho an’ireo firenena afrikanina atsimon’i Sahara ahitana ny firenena Malagasy. Mason-tsivana iray hafa nampivarina an’i Madagasikara any amin’ny laharana farany ireo dingana lavabe ilaina amin’ny fampidirana herinaratra izay mahatratra 6 raha 5,5 izany ho an’i Afrika atsimon’i Sahara. Sakana ihany koa ny fe-potoana takiana amin’ny fanatontosana ny asa izay maharitra 450 andro na 15 volana raha 138,3 andro fotsiny izy io ho an’ny firenen-kafa atsimon’i Sahara. Nivoaka omaly moa ny fanadihadiana andiany faha-5 niarahan’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny Instat ary ny komity teknika momba ny herinaratra eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.