Misy ny kere any atsimon’ny nosy ary tafiditra amin’izany ny ao amin’ny distrakan’i Tsihombe misy anay, hoy ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc voafidy tany an-toerana omaly teny Tsimbazaza.
Laviko kosa ny filazana fa misy olona maty isan’andro noho ny kere any. Fanosoram-potaka ny fitondram-panjakana izay efa namaly 75 % ny fitakiana natao taminy tsotra izao io. Tsy omen-tsiny ilay olona nilaza satria mba olom-boafidy miakatra eto an-drenivohitra izy ka te hiteny sy te hiseho tele mafy. Efa tena manampy ny any Atsimo ny fitondram-panjakana ary vao tsy ela akory izy ireo no nanao rodobe nitondra fanampiana tany an-toerana. Manahirana sady mandrebireby saim-bahoaka ny fanambarana toy izany. Mila manaraka ny ambaratongam-pahefana misy ny mitatitra azy. Tokony handalovan’ilay resaka daholo, ohatra, ny eny anivon’ny distrika, ny eny anivon’ny Faritra sy ny Faritany vao tokony hiakatra aty anivon’ny minisitera sy ny governemanta manontolo ka hatreny anivon’ny prezidansa. Marihako fa manana « antenne » maro ny tenako amin’ny maha-solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy ara-dalàna ahy ka dia tokony ho izaho depiote no maheno voalohany izay zava-mitranga ao anatin’ny distrika misy ahy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.