Actualités

Fisavana tetsy Mahamasina Nampijaly ny mpanao gazety


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Nampitaraina mpanao gazety maro ny fihetsika nataon’ireo mpiambina niasa teo amin’ny vavahady fidirana niditra tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, nanaovana ny matso omaly.

 

 

 Ankoatra ny fisavana ny vatana iray manontolo, maro ireo fitaovana tsy azo nentina niditra tao an-toerana toy ny cable miasa amin’ny fitaovana fakan-tsary, ny power bank izay miantoka ny fahafahan’ny finday mandeha, indrindra ho an’ireo mampita ny vaovao mivantana, ny écouteur…. Tsy nisy anefa ny toerana  nahafahana nametraka izany ka voatery nivoaka nitady olona indray ny mpanao gazety vao afaka niditra nefa ny ora efa nandeha,  ireo manampahefana efa niditra. Tsy nisy ihany koa ny filazana mialoha nahafahana niomana, hany ka nahatsiaro sahirana ny rehetra. Nisy tamin’ireo mpanao gazety no in-telo voasava vao tafiditra tanteraka. Nosavaina hatramin’ny poketra fitoeram-bola mihitsy omaly izay somary nahavariana ihany.

 

Marigny sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT