Ho fandaminana ny fitaterana amin’ny zotra nasionaly, dia nihaona tamin’ny Jeneraly Paza Didier Gérard,
Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny talen’ny kabinetrany ireo Filohan’ny fikambanan’ny mpitatitra zotra nasionaly eto Madagasikara avy eo amin’ny toeram-piantsonana Fasan’ny karàna, tao amin’ny birao faisany ao amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Betongolo, omaly alakamisy. Nodinihina tao ny hametrahana lamina vaovao eo amin’ireo mpitatitra sy ny zandary manao fisavana amin’ireo lalam-pirenena mba hialana amin’ny fahatarana sy fanelingelenana ireo mpandeha. Nosoritana manokana kosa anefa ny tsy maintsy hanaovana fisavana ireo fiara mampiahiahy na ahazoam-baovao sy ny momba ny fandriampahalemana eny an-dalana. Hisy ny fijerena ireo lamina rehetra miainga avy amin’ny hetahetan’ny mpitatitra nefa tsy mivaona amin’ny lalàn’ny fifamoivoizana sy ny hitsinjovana ny ain’ireo mpandeha. Nifanaiky moa ny roa tonta fa hanaja sy samy hanaraka ny lalàna ao anatin’ity fifanarahana ity. Mbola hisy ny fihaonana aorian’ny fahavitan’ny volavolan-kevitra.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.