Actualités

Fisamborana mpanao gazety “Miharo politika sy valifaty”


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Misy fanjakana miongana ve raha namoaka sarina helikoptera isika no tonga dia tsy maintsy nalaina sy natao fanadihadiana mihitsy ary tazonina ilay mpanao gazety ?

 

 

 

Angaha io mpanao gazety io hitsoaka ? Maninona raha natao fanadihadiana ny sabotsy dia navoaka fa nampanantsoina na nasaina tonga teny amin’ny fampanoavana raha izay no dingana ? Ireo no fanontaniana napetraky ny depiote sady mpanao gazety teo aloha Fidèle Razarapiera manoloana ny nisamborana sy nitazonana vonjimaika mpanao gazety noho ny famoaham-baovao mikasika ilay angidimby tetsy Mahamasina. Tsy mbola nisy mpanao gazety nenjehina noho ny asa fanaovan-gazety dia hoe nitsoaka nakany andafy fa ny mpanao politika no manao an’izany, hoy izy. Ilay tanjaky ny orinasa mpampahalala vaovao no manahirana matetika satria misy ny enjehina ary misy ny tsia kanefa zavatra mitovy no avoaka, ary nidiran’ny politika matoa tonga amin’ny zavatra ohatr’izao. Raha ohatra ka vaovao izay resaka sary no olana, dia afaka nanao “démenti” ilay olona voatohintohina tao anatiny hoe tsy marina, fa izao tena izy. Manahirana ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ve ny manao fampiantsoana mpanao gazety iray hanazavana an’io ? Izany ve dia sarotra tsy maintsy hisamborana olona ? Ilay fomba fanenjehana mihitsy no laroina politika na valifaty. Samy niaina io asa fanaovan-gazety io, ary nanao gazety aloha vao lasa mpitondra fanjakana, dia rehefa tsy mpitondra dia miverina mpanao gazety ihany, ka maninona no lasa manao toetra tahaka izany ?”, hoy i Fidèle Razarapiera. Tsy tokony hanao antsojay amin’ny namana mpanao gazety satria asa mbola hiverenanao io, hoy izy toy ny mandefa hafatra an-kolaka ho an’ireo mpanao gazety lasa manampahefana manenjika ireo tsy mitovy hevitra. Adin’ny mpanao gazety io, ka na iza na iza mpanao gazety tratran’ny ohatran’io, dia tokony hitsangana daholo ny rehetra fa tsy hijerena hoe resaka fironana. Ny gazety rehetra misy fironana fa rehefa misy mpanao gazety henjehina amina resaka asa fanaovan-gazety ohatran’io, dia miara-mitsangana miaro azy, hoy i Fidèle Razarapiera izay naneho fa sady amin’ny maha olom-boafidy no maha mpanao gazety no nahatongavany teny amin’ny BC Anosy omaly.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT