Ny zavatra nampanantenaina dia tsy maintsy tanterahana.Nitana ny teniny ny zandarimariam-pirenena ka nanokatra fanadihadiana mikasika an’ilay fisamborana an’i Jean Pierre teny Ankatso farany teo.
« Tsy miasa irery izahay manatanteraka io fanadihadiana io fa izay asa rehetra vita dia anaovana tatitra eny anivon’ny lehiben’ny fampanoavana eny Anosy avokoa », hoy ny jeneraly zandary iray izay tafaresaka taminay. Izany no mbola manaporofo indray fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna na dia mpitandro ny filaminana aza, hoy hatrany ity jeneraly ity. Tsy voatery hambara an-gazety hatrany kosa anefa ny fizotry ny fanadihadiana ho fanajana ny zon’ny tsirairay.
Nasiany teny ihany koa ny raharaha mahakasika an’Atoa Mara Niarisy, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ankazoabo. Efa misy ihany koa ny fanadihadiana misokatra ankehitriny momba ny omby tao aminy sy ireo fitaovam-piadiana hita tao aminy. Mba ho fanajana ny fahombiazan’ny fanadihadiana dia voafetra ny vaovao azo manodidina azy io.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.