Actualités

Fisamborana an’i Marc Ravalomanana. Efa niely manerantany ny herisetran’ny fitondrana


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Tsy niandry ela fa ora vitsy taorian’ny baiko nomen’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny hisamborana ny filoha Ravalomanana dia efa niparitaka manerana izao tontolo izao ny sary mampiseho ny fampiasan-kery nataon’ny mpitandro filaminana teny Faravohitra. Efa miroborobo tokoa ny teknolojia ka na dia segondra vitsy monja aza dia tsy misy azo afenina intsony ny zava-misy amina firenena iray.

Ny andron’ny fisamborana mantsy dia efa maro sahady ireo malagasy monina any ivelany no naneho ny heviny tamin’ny zava-niseho teto Madagasikara iny. Ny hiombonan’ny rehetra hevitra dia hoe misy hakanosana lalina eo anivon’ny fitondram-panjakana matoa avy hatrany dia niroso tamin’ny fisamborana fa tsy mba nanao fifampidinihina akory. Maro tamin’ireo mpiray tanindrazana any amin’ny firenen-kafa moa no nanameloka amin’ny endriny rehetra iny zavatra niseho tamin’ny alatsinainy iny. Teo ihany koa ireo firenen-dehibe mpiara miombon’antoka amin’I Madakasikara izay nanisy do-miverina avy hatrany tamin’ny zava-niseho teto ireny. Midika izany fa mety hisy akony lehibe amin’i Madagasikara indray iny fisamboranana tao iny satria fantatra izao fa dia misy ny fivoriana sy ny fifampidinihina mahery vaika izay mitranga any ho any.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT