Actualités

Fisamborana an’i Marc Ravalomanana Karana “frantsay” no tao ambadika


  • Alakamisy 16 Oktobra 2014

Mazava ny resaka ankehitriny. Misy tanan’ireo mpandraharaha Karana eto an-toerana tao ambadik’ilay fisamborana ny filoha Marc Ravalomanana tao an-trano fonenany teny Faravohitra ny tolakandron’ny alatsinainy 13 oktobra 2014 iny.

Fantatra mantsy izao fa mpandraharaha Karana, malaza eo amin’ny famatsiana taratasy sy kojakoja fampiasa am-birao sy trano fanotana printy, no nanome ilay fiara «minibus fourgon» miloko fotsy nitondran’ny GSIS azy niala avy eny Faravohitra nankao amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary, avy eo niala tao ka hatrao Maevatanana nandraisan’ny helikoptera «Allouette 2» azy nankany Mahajanga sy Antsohihy nipaka hatrany Antsiranana, tanàna itazonan’ny fanjakana Rajaonarimampianina azy ankehitriny. Mbola ireo Karana ireo ihany koa no nandray anjara betsaka tamin’ny nenti-nanana tamin’ny fitondrana ny filoha. Nivory maika ireo Karana ireo, izay mizaka ny zom-pirenena frantsay ny ankamaroany, io alatsinainy io, vantany vao nandre fa tafaverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana ary miketrika sy manery mafy ny fanjakana hanao izay hisamborana ka hamerenana azy faran’izay haingana any ivelany, izay toa mifameno amin’ny filazan’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Henry Rabary-Njaka nilaza fa «handray andraikitra ny fanjakana». Dia iny niaraha-nahita sy niaina iny ny tohiny. Ny tantara koa tsy fanadino fa nandray anjara nivantana, namatsy ara-bola sy ara-pitaovana, ireo mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 ihany koa ireto Karana may volon-tratra ankehitriny ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT